Asan'ny Apostoly 21:18
Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin’ i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the day following Paul went in with us unto James; and all the elders were present.
In Context
17Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin’ ny fifaliana ny rahalahy.
Read all of Asan'ny Apostoly 21
Cross References
Matthew 10:2Ary izao no anaran’ ny Apostoly roa ambin’ ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
Acts 12:17Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’ i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ ny fitoerana hafa.
Acts 15:6Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.
Acts 15:23ary nanoratra taratasy izy ho entin’ ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin’ ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.
Galatians 1:19Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ ny Tompo.
James 1:1Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ ny folo monina any am-pielezana.