Asan'ny Apostoly 28:16
Ary rehefa tonga tany Roma izahay, Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo amin’ ny miaramila anankiray izay niambina azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 28
Cross References
Genesis 37:36Ary ny Midianita nivarotra an’ i Josefa tany Egypta tamin’ i Potifara, tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
2 Kings 25:8Ary tamin’ ny andro fahafito tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahasivy ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, mpanompon’ ny mpanjakan’ i Babylona,
Acts 2:10sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’ i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
Acts 19:21Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an’ i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an’ i Roma koa.
Acts 24:23Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an’ i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin’ ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
Acts 27:31dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.