Asan'ny Apostoly 28:15
Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin’ ny Tsenan’ Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an’ Andriamanitra izy ka nahazo toky.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 28
Cross References
Exodus 4:14Dia nirehitra tamin’ i Mosesy ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
Joshua 1:9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
Psalms 27:14Miandrasa an’ i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’ i Jehovah.
Acts 10:25Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin’ ny tongony sady nitsaoka azy.
Romans 15:24raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin’ ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
2 Corinthians 2:14Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.