Asan'ny Apostoly 7:41
Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin’ izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin’ ny sampy ka niravoravo tamin’ ny asan’ ny tànany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 7
Cross References
Exodus 32:2Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin’ ny sofin’ ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
Deuteronomy 9:12Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midìna faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin’ ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
Psalms 106:19Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina.
Isaiah 44:9Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
Hosea 9:10Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy.
Revelation 9:20Nefa ny olona sisa, izay tsy matin’ ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin’ ny asan’ ny tànany, mba tsy hivavaka amin’ ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;