Bokin'ny Salamo 106:19
Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
They made a calf in Horeb, and worshipped the molten image.
In Context
18Dia nisy afo nirehitra tamin’ ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.
20Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin’ ny omby homana ahitra.
Read all of Bokin'ny Salamo 106
Cross References
Exodus 32:4Ary izy nandray azy tamin’ ny tanan’ ny olona, dia namboatra azy tamin’ ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely an-idina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Exodus 32:35Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon’ i Arona.
Deuteronomy 9:12Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midìna faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin’ ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
Deuteronomy 9:21Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin’ ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ ny renirano izay midìna avy amin’ ny tendrombohitra.
Acts 7:41Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin’ izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin’ ny sampy ka niravoravo tamin’ ny asan’ ny tànany.