Apokalypsin'i Jaona 9:20
Nefa ny olona sisa, izay tsy matin’ ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin’ ny asan’ ny tànany, mba tsy hivavaka amin’ ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 9
Cross References
Deuteronomy 31:29Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin’ ny asan’ ny tananareo.
2 Kings 22:17Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin’ izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin’ izay rehetra nataon’ ny tànany, dia mirehitra amin’ ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
2 Chronicles 34:25Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin’ izay rehetra nataon’ ny tànany, dia haidina amin’ ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
Psalms 115:4Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:
Isaiah 2:8Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
Isaiah 41:7Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin’ ny tantanana nampahery izay nively teo amin’ ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin’ ny hombo izy mba tsy hihozongozona.