Asan'ny Apostoly 7:8
Ary nomeny fanekena amin’ ny famorana izy. Ary dia niteraka an’ isaka izy ka namora azy tamin’ ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin’ ny folo lahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary nialona an’ i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
Read all of Asan'ny Apostoly 7
Cross References
Genesis 17:9Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Genesis 25:21Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny.
Genesis 35:16Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
Genesis 35:23Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
1 Chronicles 1:34Ary Abrahama niteraka an’ Isaka. Ny zanakalahin’ i Isaka dia Esao sy Isiraely.
Matthew 1:2Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;