Bokin'ny Genesisy 25:21
Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 25
Cross References
Genesis 11:30Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
Genesis 16:2Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin’ ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’ i Abrama ny tenin’ i Saray.
Genesis 30:22Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan’ anaka azy.
1 Samuel 1:11Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’ i Jehovah kosa izy amin’ ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
1 Chronicles 5:20Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
Ezra 8:23Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’ Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.