Asan'ny Apostoly 8:20
Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin’ ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 8
Cross References
Deuteronomy 7:26Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.
Joshua 7:24Dia nalain’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak’ i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman’ osiny ary ny lainy mbamin’ izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
2 Kings 5:26Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ ilay nihodina niala tamin’ ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’ oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman’ osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?
Isaiah 55:1He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
Habakkuk 2:9Lozan’ izay fatra-pila harena amin’ ny tsy marina ho an’ ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin’ ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan’ ny loza
Matthew 10:8Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.