Acts 9:21
Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin’ ny mpisoronabe.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 23:23Fa tsy misy fisikidianana eo amin’ i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’ Isiraely. Fa amin’ ny fotoana no hilazana amin’ i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’ i Jehovah.
Isaiah 8:18Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’ i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ ny Isiraely Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
Matthew 13:54Ary nony tonga tany amin’ ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin’ ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan’ ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
John 9:8Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
Acts 2:12Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’ izany?
Acts 4:13Ary nony nahita ny fahasahisahian’ i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy roa lahy.