Filazantsara araka an'i Matio 13:54
Ary nony tonga tany amin’ ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin’ ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan’ ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
53Ary rehefa vitan’ i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 13
Cross References
Psalms 40:9Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
Matthew 4:23Ary Jesosy nandeha eran’ i Galilia ka nampianatra tao amin’ ny synagogan’ ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra tamin’ ny olona.
Mark 6:1Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.
John 1:11Tonga tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
Acts 4:13Ary nony nahita ny fahasahisahian’ i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy roa lahy.
Acts 28:17Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain’ i Paoly hiangona izay lohandohany tamin’ ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan’ ny Romana, na dia tsy diso tamin’ ny firenentsika aza, na tamin’ ny fanaon-drazana;