The Bible Software
bible.software › Bokin'i Amosa › Bokin'i Amosa 5 › Bokin'i Amosa 5:13

Bokin'i Amosa 5:13

Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’ izao andro izao, fa andro mampahory izao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Therefore the prudent shall keep silence in that time; for it is an evil time.

In Context

12Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady.

14Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.

Read all of Bokin'i Amosa 5

Cross References

2 Kings 18:36Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.

Psalms 38:14Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;

Ecclesiastes 9:12Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon’ ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan’ ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’ olombelona amin’ ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.

Isaiah 37:3ary nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.

Amos 6:10Ary ny havan’ izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin’ izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangìna re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran’ i Jehovah.

Micah 7:5Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran’ ny vavanao na dia amin’ izay andefimandrinao aza.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Amosa 5:13

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Amosa 5:12Bokin'i Amosa 5Bokin'i Amosa 5:14 →