Epistily ho an'ny Kolosiana 2:13
Ary ianareo, izay efa matin’ ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’ i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Kolosiana 2
Cross References
Psalms 71:20Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin’ ny fitoerana lalina amin’ ny tany.
Isaiah 1:18Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy.
Jeremiah 31:34Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Luke 9:60Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke 15:32Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
John 6:63Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.