Bokin'i Daniela 12:11
Ary hatramin’ ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan’ andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
Read all of Bokin'i Daniela 12
Cross References
Daniel 1:12Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
Daniel 8:11Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin’ ny Komandin’ ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan’ andro, ary ny fitoerana masìna noravana.
Daniel 9:27Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin’ ny antsasaky ny herinandro, ary amin’ ny elatry ny fahavetavetana no nihavian’ ny mpandrava, hatramin’ ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin’ ny mpandrava.
Matthew 24:15Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’ izay fitoerana masìna ny fahavetavetan’ ny fandravana, izay nampilazaina an’ i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany),
Revelation 11:2Fa ny kianja eo ivelan’ ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masìna roa amby efa-polo volana izy.
Revelation 13:5Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.