Bokin'i Daniela 2:4
Dia niteny tamin’ ny mpanjaka amin’ ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
Cross References
Genesis 31:47Ary ny anaran’ ny antontam-bato dia nataon’ i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
1 Samuel 10:24Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin’ i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin’ ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
1 Kings 1:31Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
Nehemiah 2:3ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako, sady efa levon’ ny afo ny vavahadiny?
Isaiah 44:25Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
Daniel 4:7Fa izao no fahitan’ ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan’ ny tany, ary fatratra ny hahavony.