Bokin'i Daniela 4:27
Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ ny fanjakana tamin’ ny haben’ ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:33Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.
Deuteronomy 32:27Raha tsy ny fireharehan’ ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.
Job 34:31Fa moa mba efa nisy niteny tamin’ Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;
Psalms 119:46Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
Proverbs 16:6Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin’ ny heloka; Ary ny fahatahorana an’ i Jehovah no analavirana ny ratsy.
Isaiah 10:13Fa izy manao hoe: Tamin’ ny herin’ ny tanako no nanaovako izany, sy tamin’ ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin’ ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;