Bokin'i Daniela 7:16
Dia nanakaiky ilay anankiray tamin’ izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr’ izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan’ ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
17Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ ny tany.
Cross References
Daniel 8:13Dia nandre ny masìna anankiray niteny aho, ary nisy masìna iray koa nanao tamin’ ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masìna sy ireo maro be ho fanitsaka?
Daniel 10:5dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;
Daniel 12:5Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron’ ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
Zechariah 2:3Ary dia nanehoan’ i Jehovah mpiasa efatra aho.
Revelation 5:5Ary ny anankiray tamin’ ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ ny firenen’ i Joda, dia ny Solofon’ i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.