Bokin'i Daniela 7:17
Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
These great beasts, which are four, are four kings, which shall arise out of the earth.
In Context
Cross References
Psalms 17:14Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
Daniel 7:3Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin’ ny ranomasina.
John 18:36Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako.
Revelation 13:11Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ ny zanak’ ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.