Daniel 9:21
eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin’ ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 18:29Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
Ezra 9:4Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’ Andriamanitry ny Isiraely ny amin’ ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.
Psalms 104:4Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.
Isaiah 6:6Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain’ afo teny an-tànany, izay nalainy tamin’ ny ny tandra avy teo amin’ ny alitara.
Ezekiel 1:14Ary ny zava-manan’ aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
Daniel 8:18Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin’ ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.