The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Deoteronomia › Bokin'ny Deoteronomia 12 › Bokin'ny Deoteronomia 12:21

Bokin'ny Deoteronomia 12:21

Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao izay nomen’ i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin’ ny fanahinao izany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

If the place which the LORD thy God hath chosen to put his name there be too far from thee, then thou shalt kill of thy herd and of thy flock, which the LORD hath given thee, as I have commanded thee, and thou shalt eat in thy gates whatsoever thy soul lusteth after.

In Context

20Raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin’ ny fanahinao ianao.

22Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.

Read all of Bokin'ny Deoteronomia 12

Cross References

Deuteronomy 12:5Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.

Deuteronomy 12:15Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin’ ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian’ i Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.

Deuteronomy 16:6fa eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.

Deuteronomy 26:2dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ ny tany, izay alainao avy amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;

2 Chronicles 12:13Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Deoteronomia 12:21

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Deoteronomia 12:20Bokin'ny Deoteronomia 12Bokin'ny Deoteronomia 12:22 →