Bokin'ny Nomery 25:4
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin’ ny masoandro eo anatrehan’ i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Dia niray tamin’ i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Nomery 25
Cross References
Exodus 18:25Dia nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
Numbers 25:14Ary ny anaran’ ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Simeonita.
Deuteronomy 4:3Ny masonareo efa nahita izay nataon’ i Jehovah noho ny tamin’ i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’ i Bala-peora dia naringan’ i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
Deuteronomy 13:7Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),
Deuteronomy 13:13Raha mandre teny ianao ny amin’ ny tanànanao anankiray izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe:
Deuteronomy 13:17Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.