Bokin'ny Salamo 135:4
Fa Jakoba nofidin’ i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For the LORD hath chosen Jacob unto himself, and Israel for his peculiar treasure.
In Context
3Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
5Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin’ ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
Read all of Bokin'ny Salamo 135
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Deuteronomy 10:15Kanefa ny razanao no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Deuteronomy 32:9Fa anjaran’ i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
Psalms 33:12Sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
Isaiah 41:8Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak’ i Abrahama sakaizako,
Jeremiah 51:19Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.