Ecclesiastes 2:21
Fa misy olona izay misasatra amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’ izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 31:20Ary toy izany no nataon’ i Hezekia eran’ i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
2 Chronicles 34:2Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy ka nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia.
2 Chronicles 36:5Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamaniny izy.
Psalms 49:11Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa.
Ecclesiastes 9:18Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.
Jeremiah 22:17Nefa tsy misy alehan’ ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.