Bokin'ny Mpitoriteny 7:15
Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ ny androko mandalo foana: misy marina maty amin’ ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin’ ny haratsiany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
Read all of Bokin'ny Mpitoriteny 7
Cross References
1 Samuel 22:18Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Doega: Mihodìna ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.
2 Chronicles 24:21Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah araka ny tenin’ ny mpanjaka.
Job 21:7Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
Psalms 39:6Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. [Sela.]
Ecclesiastes 2:23Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin’ ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
Ecclesiastes 5:16Ary koa, homa-maizina amin’ ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.