Epistily ho an'ny Efesiana 5:15
Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
See then that ye walk circumspectly, not as fools, but as wise,
In Context
16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 5
Cross References
2 Samuel 24:10Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
Psalms 73:22Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.
Matthew 8:4Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo.
Matthew 25:2Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
Matthew 27:24Ary raha hitan’ i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
1 Corinthians 14:20Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin’ ny fahalalana; raha amin’ ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin’ ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.