Epistily ho an'ny Efesiana 5:17
Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ ny Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Wherefore be ye not unwise, but understanding what the will of the Lord is.
In Context
16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 5
Cross References
1 Kings 3:9Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao?
Psalms 111:10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Proverbs 2:5Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’ i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an’ Andriamanitra.
Proverbs 23:23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
John 7:17Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
Ephesians 5:15Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,