Bokin'ny Eksodosy 29:13
ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 29
Cross References
Exodus 29:18ary dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Exodus 29:25Dia raiso amin’ ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara, miaraka amin’ ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo, ho an’ i Jehovah.
Leviticus 1:15Ary haterin’ ny mpisorona ho eo amin’ ny alitara izany, ka hotapahiny amin’ ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ary hofiazany eo amin’ ny rindrin’ ny alitara ny ràny;
Leviticus 3:9Ary hangalan’ ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin’ ny faran’ ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
Leviticus 4:8Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin’ ny vantotr’ ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,
Leviticus 4:31Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.