Bokin'ny Eksodosy 29:21
Ary analao ny rà, izay eo ambonin’ ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’ i Arona sy amin’ ny fitafiany, ary amin’ ny zanany sy amin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia ho masìna izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 29
Cross References
Exodus 29:7Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin’ ny lohany, dia manosora azy.
Exodus 30:30Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
Leviticus 8:30Ary nangalan’ i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin’ ny alitara ka nafafiny tamin’ i Arona sy tamin’ ny fitafiany ary tamin’ ny zanany sy tamin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia nanamasina an’ i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa Izy.
Leviticus 14:29ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan’ ny mpisorona dia hataony amin’ ny lohan’ ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
Isaiah 11:2Ary ny fanahin’ i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ ny fahalalana sy ny fahatahorana an’ i Jehovah;
John 17:19Ary ho an’ ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ ny fahamarinanao azy.