Exodus 5:21
dia hoy izy tamin’ izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’ i Farao sy eo anatrehan’ ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 34:30Ary hoy Jakoba tamin’ i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ ny mponina amin’ ny tany aho, dia amin’ ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
Exodus 6:9Ary Mosesy nilaza izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely; nefa izy tsy nihaino an’ i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.
1 Samuel 13:4Dia ren’ ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan’ ny Filistina Saoly, ka dia halan’ ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an’ i Saoly ho any Gilgala.
2 Samuel 10:6Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan’ i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin’ ny mpanjakan’ i Maka, olona arivo lahy, ary tamin’ ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
Ecclesiastes 10:1Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
2 Corinthians 2:15Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very: