Bokin'ny Eksodosy 6:3
ary tamin’ ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
Read all of Bokin'ny Eksodosy 6
Cross References
Genesis 13:18Ary Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah izy.
Genesis 22:14Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’ i Jehovah.
Genesis 35:11Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’ ny haterakao;
Exodus 3:14Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.
Psalms 83:18Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
Isaiah 44:6Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.