Bokin'i Ezekiela 1:27
Ary nahita toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin’ ny afo manodidina azy; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra ka hatramin’ ny valahany no ho midìna dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 1
Cross References
Exodus 24:17Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.
1 Chronicles 16:27Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ ny fitoerany.
Psalms 97:2Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany.
Ezekiel 8:2Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin’ afo; hatramin’ ny valahany no ho midìna dia afo; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
2 Thessalonians 1:8amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’ i Jesosy Tompontsika,
Revelation 1:14Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;