Bokin'i Ezekiela 20:12
Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 20
Cross References
Exodus 16:29Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin’ ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin’ ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin’ ny fitoerany amin’ ny andro fahafito.
Exodus 20:8Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
Exodus 35:2Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
Leviticus 21:8Dia hamasino izy, fa ny hanin’ Andriamanitrao no ateriny; ho masìna aminao izy, fa masìna Aho Jehovah, Izay manamasìna anareo.
Leviticus 21:23kanefa tsy mahazo miditra ao anatin’ ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masìna izy, fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
Leviticus 23:24Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna.