Bokin'i Ezekiela 20:31
ary mandoto tena amin’ ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin’ ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’ Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 20
Cross References
1 Samuel 28:5Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan’ ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
Job 27:8Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny?
Psalms 66:18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
Proverbs 1:27Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
Isaiah 1:15Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.
Jeremiah 7:31Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin’ ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.