Bokin'i Ezekiela 23:4
Ny anaran’ ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
1 Kings 12:20Ary rehefa ren’ ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin’ ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak’ i Davida afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
Psalms 45:11Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
Psalms 132:13Fa Jehovah efa nifidy an’ i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
Jeremiah 3:7Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
Ezekiel 16:20Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an’ ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?