Bokin'i Ezekiela 23:40
Ary koa, naniraka ho any amin’ ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Ruth 3:3Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
2 Kings 20:13Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.
Proverbs 7:10Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ ny janga no mifetsy am-po,
Isaiah 57:9Dia nivezivezy nankany amin’ ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao.
Ezekiel 16:13ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik’ andriana