Bokin'ny Ohabolana 7:10
Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ ny janga no mifetsy am-po,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And, behold, there met him a woman with the attire of an harlot, and subtil of heart.
In Context
9Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ ny alina efa maizina dia maizina.
11Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
Read all of Bokin'ny Ohabolana 7
Cross References
Genesis 38:14Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’ i Enaima, izay eo amin’ ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’ i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’ i Joda ho vadin’ i Sela izy.
2 Kings 9:22Ary Jorama, nony nahita an’ i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va, ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan’ i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
Proverbs 23:28Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
Isaiah 23:16“Makà lokanga, ka miveziveze eran’ ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao.”
2 Corinthians 11:2Fa fahasaro-piaro araka an’ Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy.
Revelation 17:3Dia nentiny tamin’ ny Fanahy ho any an’ efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.