Bokin'i Ezekiela 29:16
Dia tsy ho tokin’ ny taranak’ Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin’ ny andehanan’ ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 29
Cross References
Numbers 5:15dia ho entin’ ny lahy ho eo amin’ ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon’ ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
Psalms 25:7Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
Isaiah 20:5Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin’ i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.
Isaiah 31:1Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.
Isaiah 36:6Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
Jeremiah 2:18Koa inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon’ i Sihora? Ary inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin’ ny Ony?