Bokin'i Ezekiela 32:18
Ry zanak’ olona, isaony ny vahoaka maroben’ i Egypta, ary ampidino izy mbamin’ ny zanakavavin’ ny firenena malaza ho any ambanin’ ny tany, miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Mihoatra noho ny an’ iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna, ka miampara amin’ izay tsy voafora.
Read all of Bokin'i Ezekiela 32
Cross References
Psalms 30:9Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
Isaiah 14:15Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.
Jeremiah 1:10ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
Ezekiel 26:20Dia hampidiniko hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin’ ny razana, ka hamponeniko any ambanin’ ny tany ianao, dia any amin’ ny fonenana efa lao hatramin’ ny ela, hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin’ ny velona;
Ezekiel 31:16Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman’ izay midìna any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin’ ny tany,
Ezekiel 32:12Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin’ ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan’ i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.