Bokin'i Ezekiela 32:19
Mihoatra noho ny an’ iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna, ka miampara amin’ izay tsy voafora.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Whom dost thou pass in beauty? go down, and be thou laid with the uncircumcised.
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 32
Cross References
1 Samuel 17:36Ny liona sy ny bera samy novonoin’ ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin’ ireny, satria nihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona izy.
Jeremiah 9:25Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak’ i Amona ary Moaba mbamin’ izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’ Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
Ezekiel 28:10Tahaka ny fahafatesan’ ny tsy voafora no hahafatesan’ ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
Ezekiel 31:2Ry zanak’ olona, ataovy amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy amin’ ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an’ iza moa ianao amin’ ny fahalehibiazanao?
Ezekiel 32:21Izy sy ny nanampy azy no resahin’ ireo malaza amin’ ny lehilahy mahery any amin’ ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.
Ezekiel 32:29Ao koa Edoma mbamin’ ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin’ ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin’ ny tsy voafora izy sy amin’ izay midìna any an-davaka.