Bokin'i Ezekiela 32:7
Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin’ ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
Read all of Bokin'i Ezekiela 32
Cross References
Exodus 10:21Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin’ ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
Job 18:5Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
Isaiah 13:10Fa ny kintan’ ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin’ ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
Jeremiah 13:16Manomeza voninahitra an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
Ezekiel 30:18Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan’ i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; Ho voasaron’ ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.