Bokin'i Ezekiela 33:2
Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
3ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,
Read all of Bokin'i Ezekiela 33
Cross References
2 Samuel 18:24Ary Davida nipetraka teo anelanelan’ ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin’ ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.
Isaiah 21:6Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
Isaiah 62:6Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra;
Jeremiah 15:2Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra, ary izay ho amin’ ny mosary dia ho amin’ ny mosary, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana.
Jeremiah 47:6Indrisy ry sabatr’ i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midìra ao amin’ ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.
Ezekiel 3:11Dia mandehana mankany amin’ ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.