Bokin'i Ezekiela 33:9
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 33
Cross References
Proverbs 15:10Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
Ezekiel 3:19Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin’ ny faharatsiany sy amin’ ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
Luke 12:47Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon’ ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
Acts 13:40Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ ny mpaminany hoe:
Acts 18:5Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin’ ny teny Paoly ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
Acts 28:23Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’ Andriamanitra hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva, ary ny teny eo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an’ i Jesosy.