Bokin'i Ezekiela 34:12
Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin’ izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin’ izay rehetra efa nielezany tamin’ ny andro mandrahona sy maizim-pito.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 34
Cross References
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Jeremiah 13:16Manomeza voninahitra an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
Ezekiel 30:3Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron’ i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
Amos 5:18Lozan’ izay maniry ny andron’ i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron’ i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
Zechariah 9:16Ary hovonjen’ i Jehovah Andriamaniny ireny amin’ izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin’ ny taniny ireny.
Luke 15:8Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?