Bokin'i Ezekiela 40:4
Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak’ olona, mijere amin’ ny masonao, ary mihainoa amin’ ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ ny taranak’ Isiraely izay rehetra hitanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 40
Cross References
Jeremiah 26:2Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, ka lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon’ i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
Ezekiel 2:7Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
Ezekiel 43:10Hianao, ry zanak’ olona, asehoy amin’ ny taranak’ Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny amin’ ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano.
Matthew 10:27Izay lazaiko aminareo ao amin’ ny maizina, dia ambarao eo amin’ ny mazava, ary izay ren’ ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ ny tampon-trano.
Matthew 13:51Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.
1 Corinthians 11:23Fa izaho efa nandray tamin’ ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’ iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,