Bokin'i Ezekiela 43:3
Ary ny tarehin’ ny zavatra hitako dia tahaka ny an’ ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin’ ilay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ary ny voninahitr’ i Jehovah dia niditra tamin’ ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
Read all of Bokin'i Ezekiela 43
Cross References
Ezekiel 1:3dia tonga tamin’ i Ezekiela mpisorona, zanak’ i Bozy, ny tenin’ i Jehovah tany amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, teo amoron’ ny ony Kebara; ary ny tànan’ i Jehovah dia taminy teo.
Ezekiel 8:4Ary, indro, teo ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin’ ny lohasaha.
Ezekiel 9:3Ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin’ ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany.
Ezekiel 9:10Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.
Ezekiel 10:22Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin’ ilay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin’ ny tavany no nalehany.
Ezekiel 32:18Ry zanak’ olona, isaony ny vahoaka maroben’ i Egypta, ary ampidino izy mbamin’ ny zanakavavin’ ny firenena malaza ho any ambanin’ ny tany, miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.