Bokin'i Ezekiela 48:1
Ary izao no anaran’ ny firenena: Hatramin’ ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin’ ny lalana mankany Hetlona any akaikin’ i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy eo avaratra, any anilan’ i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an’ i Dana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 48
Cross References
Exodus 1:1Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay niaraka tamin’ i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin’ ny ankohonany avy izy rehetra:
Numbers 13:4Ary izao no anarany: Avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia Samoa, zanak’ i Zakora;
Joshua 19:40Ary ny loka fahafito dia an’ ny firenena taranak’ i Dana isam-pokony.
Judges 18:26Dia nandeha tamin’ ny nalehany ny taranak’ i Dana; ary rehefa hitan’ i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.
1 Kings 12:28Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin’ ny olona: “Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô” indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
Ezekiel 47:15Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny Ranomasina Lehibe amin’ ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin’ i zedada,