Bokin'i Ezekiela 7:8
Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 7
Cross References
2 Chronicles 34:21Andeha manontany amin’ i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin’ ny Isiraely sy ny Joda ny amin’ ny tenin’ io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman’ ny razantsika ny tenin’ i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin’ io boky io.
Isaiah 42:25Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin’ ny fony
Jeremiah 36:31Ary hampijaliko izy mbamin’ ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin’ ny mponina any Jerosalema ary amin’ ny lehilahy amin’ ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
Lamentations 4:11Tanterahin’ i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
Ezekiel 7:3Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
Ezekiel 9:8Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin’ ny Isiraely amin’ izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’ i Jerosalema izao?