Bokin'i Ezekiela 8:17
Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak’ olona? Moa ataon’ ny taranak’ i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin’ ny orony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 8
Cross References
Genesis 6:13Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Ny faran’ ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ ny tany Aho.
2 Kings 24:4sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’ i Jehovah hamela ny helony.
Jeremiah 7:18Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an’ ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
Jeremiah 20:8Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’ i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan’ andro.
Ezekiel 7:23Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin’ ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.
Ezekiel 11:6Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin’ ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.