Bokin'ny Genesisy 21:10
Dia hoy izy tamin’ i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’ io andevovavy io tsy hiray lova amin’ ny zanako, dia amin’ Isaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak’ i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin’ i Abrahama.
11Fa ratsy teo imason’ i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin’ ny zanany.
Read all of Bokin'ny Genesisy 21
Cross References
Genesis 17:19Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an’ ny taranany mandimby azy.
Genesis 20:11Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra tokoa amin’ ity tany ity, ka hovonoin’ ny olona aho noho ny amin’ ny vadiko.
Genesis 25:6Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana.
Genesis 36:6Dia nentin’ i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman’ ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin’ ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin’ izay tany hialana eo anatrehan’ i Jakoba rahalahiny.
Matthew 8:11Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra;
John 8:35Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva.