Bokin'ny Genesisy 4:7
Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
Read all of Bokin'ny Genesisy 4
Cross References
Genesis 3:16Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan’ anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
Genesis 19:21Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin’ izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
2 Samuel 24:23Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen’ i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
Job 29:4Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra;
Proverbs 18:5Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ ny fitsarana.
Ecclesiastes 8:12Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.